Tovovavy iray manana toe-tena varira, fantatra amin'ny anarana hoe : Mitovy, no nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana tao Menakaravavy, Kaominina Ejeda, Distrika Ampanihy Andrefana ny alin'ny Alarobia 4 Novambra 2026. Maty tsy tra-drano ilay zazavavy, vao 15 taona, tapaka ny lohany ary nentin'ny olon-dratsy ka tsy mbola hita hatramin'ny fotoana nanoratana ny vaovao. "Fa dia inona loatra ity zava-misy eto amin'ny firenentsika ity", hoy i Soja Fulgence, filohan'ny fikambanana Albinos Madagascar raha nampahafantatra ity vaovao mampalahelo ity tamin'ny ranty nataony tao amin'ny pejy fesibokin'ny fikambanana. "Dia mitazana fotsiny ve ny mpitondra fanjakana amin'izao tranga izao ?", hoy izy. Trayga fakana varira faha-20 tamin'ity taona 2026 io, ka maty avokoa ny 17 tamin'ireo. "Mila vonjy aminareo vahoaka Malagasy izahay olona manana toe-tena varira", hoy antsoantson'i Soja Fulgence. Vao herinandro vitsivitsy izay, ny 22 sy 23 oktobra 2026 no nitsidika tao Ejeda sy Ampanihy ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Kolonely Randrianirina Michaël. Voaresaka nandritra ny diany tany ny tsy fandriampahalemana, nilazany ampahibemaso teo anatrehan'ny Vahoaka tao Ejeda fa "menatra aho manao ity fanamiana (miaramila) ity, satria na aiza na aiza alehako dia misy tsy fandriampahalemana". Nampanantena ny handefa miaramila hampandry tany any an-toerana moa izy taorin'izay. Jean D.
Vatana mangatsiakan'i Mitovy, ilay zazavavy varira maty nisy nanapa-doha