airtel

Fandriampahalemana

06-nov-2026

Ankazomborona

– Marovoay

Sample post image

Tovolahikely 05 taona namoy

06-nov-2026

ny ainy vokatry ny fanolanana
Tovolahikely iray, 05 taona, antsoina hoe Heriniaina Jesimon, no niharan'ny fanolanana tao Ambondrombe, Fokontany Belinta, Kaominina Ankazomborona, Distrika Marovoay ny harivan'ny sabotsy 31 Oktobra 2026. Namoy ny ainy vokatr'izany ilay zaza, izay midika fa mafy ny herisetra nihatra taminy. Tovolahy iray tsy ampy taona, 15 taona, sy lehilahy iray, 30 taona no nahiahiana ho nahavanon-doza. Nosamborin'ny Tafika avy ao Maevarano izy ireo. Ny Alahady 01 novambra 2026, no nanaterana azy roalahy ireo hamonjy ny biraon'ny Tobim-paritry ny Zandary Ankazomborona, niaraka tamin'ny kodiaran-droa, hanaovana fanadihadiana. Teny an-dalana anefa dia nitady ny fomba rehetra hitsoahana ireo olon-dratsy ary rehefa nandalo ny toerana atao hoe : Tetezan'Ambatomainty, Fokontany Ambonara, tokony tamin'ny 11 ora atoandro, dia nianjera ny kodiaran-droa nitondrana azy ireo. Teo no raikitra ny fifanjevoana. Nisintona ny basy teo ambozon'ireo mpitandro ny filaminana ireo olon-dratsy ka voatery nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy, nahafahana nifehy ny fifampitolomana. Noho ny ratra nahazo azy dia tsy tana ny ain'ireo roalahy nahavanon-doza izay fantatra fa efa mpamono olona sy mpamerin-keloka tamin'ny asa fanolanana.
Nangonin'i Jean D.
Fitsirihana nataon'ny mpiasan'ny fahasalamana sy ny manampahefana ao Ankazomborona
 

Dans la même rubrique

06-nov-2026

maty notapahin-doha

Card image cap
ADY
05-nov-2026

Mila mampiseho fitondran-tena

Card image cap
05-nov-2026

Nitsidika ireo toby miaramila any

Card image cap
05-nov-2026

Nampidirina eny Antanimora

Card image cap