ary ireo mpitandron'ny filaminana avy ao Alasora omaly Alakamisy hariva. Dinika momba ny fandriampahalemana no natao tamin’izany mba hahafahana miaro ny ain’ny vahoaka sy ny fananany. Tapaka nandritra izany fa hohamafisina ny andrimasom-pokonolona ka nisaotra manokana ny mpiara-miombon'antoka tamin'ny fanamboarana ny Badge ny Ben’ny tanana. Nanentana ny mponin’Alasora rehetra ihany koa izy nandritra izany mba hitondra karatra manga rehefa tratra alina. Eny anivon'ny fokontany no fakana izany hoy hatrany ny Ben’ny tanana nanamafy ny teniny. Ho an’ireo sendra mampiatrano vahiny dia niangaviany mba hanantona ny fokontany hanoratra ireny vahiny ireny. Toraka izany koa mpampanofa trano. Tompon'antoka tanteraka amin'ireo mpanofa ny tranony izy ireny hoy ny Ben’ny tanana raha tsy misoratra eny amin'ny fokontany iretsy voalohany nefa tojo olana tampoka. Samy nandray ny andraikitra tandrify azy moa ireo mpivory nandritra izany.
Pati Legende : Hentitra ny fihaonana teto !
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,