airtel

Fandriampahalemana

13-janv-2021

Fandriampahalemana

Alasora Tratra tao an-tranony ireo mpamaky trano sy mpanolana

Sample post image

Tambajotran-jiolahy iray no ravan’ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria

13-janv-2021

 

 

 

afovoany Atsimondrano Tanjombato, ny faran’ny herinandro lasa teo. Jiolahy mpamaky trano miisa telo izay efa tena hikoizana amin’ny asa ratsy eny amin’ny faritra Manandona, Doridosy, Merimanjaka, Ambohijanaka sy ny manodidina iny no tratra. Loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafahana nisambotra ireto olon-dratsy ireto ary fiaraha-miasa avy amin’ny fitsarana. Rehefa natao ny velam-pandrika dia tratra teny an-tranony tao amin’ny fokontany Mendrikolovaina Kaominina Alasora izy telo lahy ireto tamin’ny 10 janoary lasa teo ho tamin’ny 07 ora maraina. 55 taona no zokiny indrindra ary 22 taona no zandriny indrindra. Marihana fa efa misy fitoriana maromaro mahakasika azy telolahy ireto tonga tao amin’ny kaomisaria afovoany Tanjombato noho ny resaka vaky trano sy fanolanana. Rehefa natao ny fanamarinana tamin’ny alalan’ireo olona nametraka fitoriana dia voamarina fa izy telo lahy no nanatanteraka ny fanafihana miaro vaky trano teny amin’izy ireo. Marihana fa mbola misy namany hafa roa ihany koa karohina.

Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap