airtel

Fandriampahalemana

12-avril-2023

Fandriampahalemana

Ambatosoratra , Ambatondrazaka Lehilahy roa nodoran’ny fokonolona velona

Sample post image

Tovolahy roa omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany no indray nodoran’ny fokonolona velona tany amin’ny kaominin’ Ambatosoratra,

12-avril-2023

distrikan’Ambatondrazaka. Lasantsy no nandoron’ireo fokonolona azy, izay nohampangaina ho namono tovolahy kely iray tany an-toerana herinandro maromaro lasa izay. Mbola tena voamarina anefa io vaovao io hoy ny loharanom-baovao azo fa niainga tamin’ny resaka kihonohono. Ireo fokonolona efa tezitra mafy nitondra azy roalahy ireto no nanapa-kevitra hany ka tsy nisy nahafahan’ny mpitandro ny filaminana niditra an-tsehatra intsony. Voasakana mafy rahateo ireto farany mba tsy hiditra. Vokany, namoy ny ainy izy roalahy.Raha araka ny vaovao azo moa dia saika isan-taona no hitrangana fitsaram-bahoaka tahaka izao ao Ambatosoratra Ambatondrazaka. Efa eo am-pikarohana izay niavian’ilay feo sy nanatanteraka ilay fandorana velona azy mirahalahy ireto moa ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.
Pati
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap