Avy hatrany dia nanara-dia sy nanao ny sakana rehetra izy ireo nandritra izany, tranga niseho tao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo.Rehefa nifanojo teo amin'ny kizon'ny Maroakanga anefa izy ireo dia raikitra ny fifandonana voalohany ary azo ny omby miisa 10, tranga nahalavoana dahalo iray niaraka tamin'ny basy.Nitohy ihany ny fifanenjehana ka raikitra indray ny fifandonana fanindroany teo amin'ny kizo an-tampon'i Mokony ka azo ny omby miisa 5 ambiny. Dahalo iray niaraka tamin'ny basy no tsy afaka hanohy ny asa ratsiny intsony koa vokatr’izany.Izany no tanteraka moa dia noho fiarahana miady sy mamongotra ny tsy fandriampahalemana ato anatin'ny distrikan'Ambohidratrimo izay hanaovan'ny zandary ao amin'ny zana-tombim-paritra Anjanadoria sy Avaratsena sahalemaka ary Merimandroso fanamby.
Nangonin’i Pati
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,