distrikan’i Betafo afak’omaly 06 Septambra tokony ho tamin’ny 06 ora sy fahefany hariva. Nihanika tamboho ireo jiolahy ireo. Ny mpanampin-dry masera no tratran'izy ireo tamin’izany ka nasainy namoha ny varavarana. Nanohitra ihany koa i Masera izay sendra nivoaka ka na voavelin'ny kibay aza izy mirahavavy dia voahidiny ny trano ary mbola afaka niantsoantso izy ireo. Naratra kely izy mirahavavy. Tsy ela dia vory ny olona ka raikitra ny fifanenjehana. Voasambotry ny fokonolona nandritra izany ny jiolahy iray raha tafatsoaka ny namany roa. Saika niova ho sinoa mainty ilay jiolahy voasambotra noho ny daroky ny fokonolona. Tonga haingana koa moa ny zandary 5 lahy avy any Inanatonana sy ny borigadin’iBetafo notarihin'ny CB ka natolotra azy ireo ilay jiolahy mba hanaovana fanadihadiana.
Pati
Legende : Ity ilay Jiolahy nivadika ho Sinoa mainty tratra nanafika andry masera !
Zana-tsokatra miisa 105 saika ahondrana an-tsokosoko no tra-tehaky ny mpiasan’ny