airtel

Fandriampahalemana

28-juil-2022

Fandriampahalemana

Ampefiloha Tovolahy tsy ampy taona, nangalatra aroloha

Sample post image

Tovolahy iray, 16 taona no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny Compagnie Urbaine D’Intervention (CUI3) tetsy Ampefiloha ny alarobia 26 jolay lasa teo rehefa avy nangalatra aro loha.

28-juil-2022

Tokony ho tamin’ny 03 ora tolakandro dia nisy olona tsara sitrapo nanatona ireo Polisy avy ao amin’ny CUI izay niasa teo anoloan’ny LMA Ampefiloha ary nitaraina mahakasika ny fisiana tovolahy iray mpangalatra aro loha eny ampefiloha sy ny manodidina iny. Manoloana izany dia nandray andraikitra avy hatrany ireo Polisy ka hita tsy lavitra teo ilay tovolahy voatondro. Nosamborina avy hatrany izy ary nentina teo anivon’ny Sampan-draharahan’ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona (PMPM) ka tamin’ny famotorana natao azy dia niaiky izy fa izy no mpaka ireo aro loha izay very eny amin’ireny toeram-piantsonana (Parking) moto ireny. Anisan’izany ireo arolohana mpampianatra iray tao amin’ny LMA izay very tamin’io andro io. Tonga nametraka fitoriana moa ity tompon’entana ity.
Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap