airtel

Fandriampahalemana

30-mars-2023

Fandriampahalemana

An-tampon’Itaosy Nisehoana fanafihan-jiolahy mahery vaika, voatifitra ny CB

Sample post image

Nisehoana fanafihan-jiolahy mahery vaika afak’omaly tokony ho tamin’ny 01 ora maraina teny amin’ny Saint Michel Itaosy, kaominina Itaosy, distrikan’Atsimondrano.

30-mars-2023

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nifanehitra tamin’ireo zandary nanao fisafoana izay notarihin’ny lehiben'ny tobim-paritry ny zandarimaria nasionaly Itaosy ireo jiolahy nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika miisa 5. Nasaina nijanona ireo jiolahy saingy nanompa no sady nandositra ary nampiasa fitaovam-piadiana ka nitifitra in-telo. Voatifitra tamin'izany ny tongotry ny CB na ny lehiben’ny zandary eny Itaosy. Efa mazava ny andro vao nahatsapa ity CB ity fa mivoa-drà ny tongony. Nalefa eny amin'ny CENHSOA izy vokatr’izany mba hanalana ilay bala tafiditra. Namaly tifitra ihany koa ny zandary nandritra izany ka voatifitra ny iray ary tafatsoaka kosa ny efatra tamin'izy ireo. Basy poleta iray vita gasy moa no tratra teny amin'ilay jiolahy maty izay marihina fa jiolahy avy eny Ambaranjana Ampitatafika hoy hatrany ny loharanom-baovao azo.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap