airtel

Fandriampahalemana

06-mars-2025

Andihizan'ny jiolahy ny Firenena

Tanora 3 samy maty tamin’ny fomba feno habibiana

Sample post image

Mampiteny moana ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina sy manerana ny Nosy.

06-mars-2025

Nampivarahontsana ny tranga tao Ambolomadinika ny takarivan'ny talata teo, izay nahafaty an'i Tahina na Randriamahefa Tahina, tovolahy vao 23 taona. Izy an-dalana hody no nifanehitra tamina lehilahy roa nivatsy antsy, nanao tambabe sady namely tsy an-kitsitsy. Hita tamin'ny "caméra de surveillance" ny fifandonana teo aminy sy ireo roalahy izay nitondra antsy ka avy dia nandratra azy. Mbola nitsangana izy ary nihazakazaka namonjy ny tranony raha ny hita tamin'ny sary. Teo am-bavahady izy no nianjera, hoy raha ny fanampim-panazavan'ny rainy. Niezaka nitondra azy haingana tany amin'ny hopitaly izahay, hoy ny fianakaviana saingy indrisy fa tsy tana ny ainy. Tsatokantsy 3 teo amin'ny tratrany ka nahavoa ny fony no nitarika ny fahafatesany. Ny "pochette" teny am-bozony nisy vola no lasan'ireo, izay tsy dia volabe akory no tany, raha ny fanazavan'ny rainy hatrany izay notaterin'ireo mpizara vaovao ao Toamasina. Ny finday, famataranandro, sy ny firavaka mbola teny aminy avokoa. Avy niasa izy ary namonjy fotoam-bavaka hariva no sendra izao. Avy nivavaka i Tahina no nivoaka kely nanatitra ny namany no izao tojo ireo tsy mataho-tody izao rehefa an-dalana hody, raha ny fahamarinana. Tsy vitan'izay fa vao avy natao fifamofoana vao tsy ela ihany koa, ka nahaontsa ny rehetra ny nahita ny fanehoana alahelo nataon'ny fofom-badiny namoaka ny sarin'izy ireo naneho fa i Tahina no saika hamoaka azy satria "coup de coeur" ho azy izany, saingy izy nandao nialohan'ny fotoana, kanefa teo am-panomanana ny mariazy izy roa kely. Andaniny, rehefa niparitaka ny sarin’ireo olon-dratsy, dia nivoaka ny fanamarihana sy ahiahy fa lehilahy antsoina hoe : Khaèl izay efa malaza ratsy, efa nigadra, efa nananan’ny fiarahamonina lonilony,… no voalaza fa iray tamin’ireo olon-dratsy, ka naterina teny amin’ny mpitandro filaminana hohadihadiana omaly ihany. Nialohan’ity tany Toamasina ity, maty nisy namono tao Anjiajia Kaominina Antserika any Ambatoboeny ny marain’ny alatsinainy 4 martsa ihany koa ny raim-pianankaviana iray vao 36 taona antsoina hoe Edouard, Filohan’ny fikambanana Tanora Antanampizina Antsohihy. Nisy nanafika teo akaiky fasana raha handeha hiasa, ka notetitetehan‘ireo tsy mataho-tody ny vatany ary tsy navelan’izy ireo tsy afak’aina tanteraka. Namela vehivavy mpitondra tena iray sy kamboty 02 zazavavy 13 taona sy zazalahy Kely vao 05 taona monja. Ankoatra ireo, lehilahy vao erotrerony iray hafa ihany koa tratry ny tsindron’antsy teny Ambavahaditokana Itaosy ny takarivan’ny talata teo hariva. Notsatohana tovolahy iray antsy ity tovolahy ity ary namoy ny ainy, na nentina haingana nialàna nenina teny amin'ny hopitaly aza. Rovitra ny kibony sy ny tsinainy. Voasambotry ny zandary avy hatrany ilay nahavanon-doza ary mbola teny an-tanany ny antsy nihoson-drà. Tanora vao erotrerony 3 izany no nisy namoy ny tao anatin’ny 48 ora !
TSY MILAMINA NY TANY
Tena tsy milamina ny tany, andihizan'ny jiolahy ny tanàna. Tsy misy tsy lasibatra na an-tanan-dehibe na ambanivohitra. Voakasika avokoa na olon-tsotra, na manan-katao, na manam-pahefana. Raha ny tao Toamasina hatrany ohatra, dia hatramin'ny zanaka mpitandro filaminana aza misy mamono.Ny 20 febroary teo, tovolahy 22 taona zanaka polisy no maty voatifitra 8 no nanafika ny tokantranon’izy ireo, rehefa narahin'ny jiolahy ilay mpitandro filaminana. Notifirin’ireo jiolahy teo imason’ny zanany vavy ihany ilay polisy izay rain’io tovolahy io ka teo amin’ny tarehiny no voa. Tsiahivina ireny mba hilazana fa hatramin'ireo mpitandro filaminana aza angaronin'ny jiolahy. Ampahany tao Toamasina ireny ankoatra ireo fitifirana maro nahafaty olona maro. Ny ankoatra ireny, isan'ny raharaha vao tsy ela ny famonoana ny ben'ny tanànan'i Mangataboahangy, ny famonoana ireo teratany Koreanina roa tany Marovoay Morarano Gara, ny tranga tetsy Andoharanofotsy izay vitan'ny jiolahy hatramin'ny manongotra nifina olona manana fahasembanana,... Ny teto Antananarivo moa dia niarahana nahita naheno ireo tranga fitifirana nahafaty olona teny Ambodivona, Ampamantanana, Analakely,... Tsy mandry fahalemana ny tany na mitombo aza ny manamboninahitra be galona. Miandry an-driran'antsy ny vahoaka. Asa mbola tadidin'ny Fitondrana ankehitriny ve fa napetraka ho laharana voalohany tao anatin'ny velirano 13 ny fandriampahalemana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage

Card image cap