airtel

Fandriampahalemana

09-juil-2021

Fandriampahalemana

Andohatapenaka Matin’ny polisy ilay jiolahy nampiasa basy kilalao

Sample post image

Jiolahy mpanendaka sy mpamaky trano mampitondra faisana iny faritra 67ha sy ny manodidina iny no lavon'ny balan'ny Polisy tetsy Andohotapenaka ny atoandro omaly atoandro.

09-juil-2021

 Efa malaza amin'ny asa ratsy amin'iny faritra iny ity jiolahy ity ary efa ela no nitadiavana azy. Nidina teny amin'ireo faritra ireo ny Polisy nanao fanamiana sivily hisambotra ireto olon-datsy. Mbola eo am-piomanana ny hanao asa ratsy mihitsy ireto jiolahy no hitan'ny Polisy ka vao nanatona hisambotra azy ireo ny mpitandro ny filaminana dia nitsoaka avokoa ireto olon-dratsy saingy ity jiolahy rain-dahiny kosa namoaka basy ary voatery nitifitra ny Polisy ka izay no nahafaty azy. Rehefa nanatona ny Polisy nijery ilay basy izay vao fantatra fa basy tsy tena izy no nentin'ilay jiolahy. Mitohy ny fanadiovana ataon'ny Polisim-pirenena hiadiana amin'ny tsy fandriam-pahalemana eto an-drenivohitra, hoy ny eo anivon’io rantsan’ny mpitandro filaminana io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap