airtel

Fandriampahalemana

12-mars-2024

Andohatapenaka

Mpitondra taxi-moto notifirin'ny "client", bala roa no ao amin’ny lohany

Sample post image

Nandriaka ny ra teny amin’ny digue Andohatapenaka omaly 11 martsa 2024 takariva.

12-mars-2024

Lehilahy iray mpitondra taxi-moto no notifirin'ny "client" nentiny. Bala roa no niantefa tamin’ny lohany. Tavela ao amin’ny lohany ireo bala, raha ny fanamarihana. Lasan'ny jiolahy ny moto sy izay mba vola kely tany amin'ilay lasibatra. Nifamonjena nentin'ny olona tsara sitrapo any amin’ny HJRA izy, izay mbola nahateny ny anarany hoe : Paul, raha ny fanamarihana hatrany. Ireo vodibala roa latsaka teo amin’ny arabe, nalain'ny Polisy hanampy amin’ny fanokafana fanadihadiana hikarohana ny olon-dratsy. Vao tapa-bolana latsaka izay no nisy taxi-moto avy eny Anosizato nahita mpanjifa ho eny Mahitsy, kinanjo tsy hita popoka, fa ny fatiny sisa hita. Tratra ihany anefa ireo roalahy tompon’antoka rehefa nandeha ny fikarohana, ka nidoboka any Tsiafahy vao andro vitsy izay. Misy ny mpanao asa ratsy tratra, fa mbola maro ihany koa ny miriaria sy manohy ny asa ratsiny, ka isan’ny kendren’ireo tsy mataho-tody mafy indray izany izao ny taxi-moto, ka entanina ny rehetra ho mailo satria tsy tranga iray na roa fa tena sesilany satria tranga efa nisy teny amin’iny manodidina an’Ampasampito iny ihany koa ny hoe : manatitra olona, saingy rehefa tonga any amin’ilay fanaterana dia efa misy naman’ilay jiolahy miandry, ary mamoaka basy, dia lasa mora fotsiny ny moto.
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap