airtel

Fandriampahalemana

25-févr-2025

ANISAN’IREO NAMONO ZANAKA POLISY

Jiolahy iray matin’ny FIP sy UIR Toamasina

Sample post image

Jiolahy mpamerin-keloka amin'ny resaka halatra miaro vono olona, ary efa nigadra in-telo

25-févr-2025

no lavon'ny balan'ny Polisy Tao Toamasina, ny alin’ny Alahady 23 Febroary lasa teo. Teo am-panomanana fanafihana hafa indray ilay ranamana ity no izao nifanehatra tamin'ny Polisin'ny FIP sy UIR izao. Tafatsoaka nandritra ny fifandonana ny namany miisa roa ary mbola karohina. Fantatra moa fa anisan’ny nahafaty ilay zanaka polisy iray tao Toamasina ny iray tamin’ireo jiolahy ireo. Tsiahivina moa fa tsy milamina mihitsy ny fandriampahalemana ao Toamasina ao efa amam-bolana izao. Ankoatra ny vono olona dia misy hatrany ny vaky trano ateraky ny fanafihana mitam-piadiana miaro fandrobana fananan’olona.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay jiolahy tratra maty voatifitra !
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap