Ho an’ireto telolahy tratra teny Ankadikely Ilafy tamin’ny afak’omaly Alahady ireto dia manarak’olona avy mirevy amin’ny alina no tena hataony. Ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Ankadikely Ilafy no nahatratra azy ireo. Tadidin’ireo olona mamo avy hendahiny ny endrik’izy ireo ka tsy sarotra ny nisambotra azy. Tsy mbola mamo tsara rahateo ilay lehilahy iray izay nendahin'izy ireo tamin’ny alin’io Alahady alina io ka nahatadidy tsara ny tarehy sy ny volon'izy ireo ary nitoroka tany amin'ny zandary. Feno ny porofo noho izany. Very mantsy ny vola sy ny findainy. Voasambotra ary natao famotorana ka samy niaiky avy hatrany izy telolahy ireto fa nanendaka tokoa tamin’io alin’ny Alahady lasa teo io. Hiakatra fitsarana anio izy telolahy ireto.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy telolahy mpanendaka olona avy misotro any amin’ny bar
Efa nisy teto ny hoe hala-jaza, mpaka fo, mpangalatra taolam-paty, mpaka an-keriny,
Mbola tsy nisy tranga nampalahelo sy nampivarahontsana tahaka ny namonoana
Rongony miisa 100 gony milanja 1450 Kilao no sarona tao Agnalampangitsy,
Rongony miisa 100 gony milanja 1450 Kilao no sarona tao Agnalampangitsy,