airtel

Fandriampahalemana

06-déc-2023

ANOSIALA ANDAKANA

Mihoatra ny 10 ireo jiro amin’ny lalambe nisy nangalatra

Sample post image

Mihoatra ny 10 hatreto ireo jiro manazava ny lalambe nisy nangalatra

06-déc-2023

eny amin’iny faritra Anosiala Andakana iny. Mirongatra sy mahazo vahana tanteraka ny tsy fandriampahalemana noho izany, antony nanosika ireo mpitandro ny filaminana sy fokonolona eny an-toerana hifanome tanana hamongotra ireo mpanao ratsy. Lehilahy iray no tratra nanongotra ireo jiro manazava ny lalambe teny amin’ny fokontany Anosiala Andakana omaly Talata ka nahazoana antso tamin’ny mpiara-monina tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Efa nafeniny tany anaty ala kininina ireo fitaovana ireo no tratra izy . Jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 9 no nangalariny ary efa tafaverina soa amantsara amin’ny fokontany izany. Mbola misy moa ireo namany tsy tratra fa tsy maintsy ho raisim-potsiny tsy ho ela, raha araka ny fanamby napetraky ny fokonolona sy ireo mpitandro ny filaminana.
Pati
Legende : Io afovoany io ilay mpangalatra jiro manazava ny lalambe eny amin’iny faritra Andakana iny !

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap