dia lasibatra hatrany ireo mandeha fiara indrindra fa ireo mipetraka amin’ny sisin’ny varavarankely. Raha araka ny loharanom-baovao dia tsy zaza vao amin’ity asa ratsy ity ny ankamaroan’ireo mpanendaka eny an-toerana fa efa mpamerin-keloka ny ankamaroany. Anisan’izany ireo lehilahy miisa roa voasambotry ny SAG teny an-toerana ny sabotsy 04 martsa teo tokony ho tamin’ny 10 ora sy 45 minitra mariana. Polisy manao fanamiana sivily no nahatsikaritra azy roalahy teo am-panaovana ny asa ratsiny ka noraisim-potsiny izy ireo. Hiakatra fampanoavana anio alatsinainy 06 martsa moa izy roalahy ireto taorian’ny fanadihadiana natao taminy.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy mpanendaka efa za-draharaha tratra teny Anosizato
Tratra niaraka tamin’ny basy sy sabatra lavalela ireo jiolahy
Taorian’ny fiakarana fampanoavana, olona 47 be izao tamin’ireo 107 voarohirohy sy nosamborina tamin’ny raharaha
Tovovavy iray 23 taona no tratra nivarotra rongony teny Tanjombato afak’omaly 05 jona.