airtel

Fandriampahalemana

13-févr-2025

Antananarivo

Mirongatra ny hala-botry

Sample post image

Lehilahy iray no tratran'ny Polisim-pirenena avy ao amin'ny Kaomisarian'ny Boriborintany faha 6

13-févr-2025

niaraka tamina "batteries" ana fiara miisa roa afak’omaly talata 11 febroary tokony ho tamin'ny 2 ora maraina teny amin'ny Fokontany Ambatolampy. Tsy misy taratasy ary tsy voazavany ny fiavian'ireto "batteries" ireto ka notanana natao fanadihadiana tao amin'ny biraon'ny Polisy ilay ranamana. Nandritra izany no nahafantarana fa halatra ireto "batteries" ireto.Lehilahy iray hafa ihany koa tratran'ny Polisy avy ao amin'ny CSP 2 teo am-pangalarana fitaovan-dakozia ny 10 Febroary 2025 hariva teny Antsahameva. Fitaovan-dakozia maro samihafa no nangalariny tamin'izany.Ankoatra izay dia lehilahy iray hafa noraisim-potsiny tao an-tokotanin'olona mifefy teny Mahazoarivo ny alin'ny 10 Febroary 2025 ihany. Nampiahiahy ny mponina ny fihetsiny ka niantso Polisy izy ireo. Tonga haingana ny Polisy avy ao amin'ny CSP 2 ka dia noraisim-potsiny ity lehilahy ity. Tsiahivina moa fa vokatry ny tsy fisian’ny asa avokoa no antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Voatery manaotao foana ny sasany vokatr’izany mba hamelomany ny ankohonany.
Pati
Legende : Ireto izy 3 mirahalahy tratra !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap
16-mai-2025

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

Card image cap