airtel

Fandriampahalemana

22-mai-2026

MAINTIRANO

Nihena iray ny jiolahy mpanao ratsy

Sample post image

Nihena iray ny jiolahy mpanao ratsy

22-mai-2026

any amin'ny distrikan'i Maintirano.Ny alin’ny 20 May teo dia naharay antso ny Polisim-pirenena tao Maintirano fa misy jiolahy mamaky trano ao Andranovoribe, sektera I. Tonga haingana teny an-toerana ireo Polisy nanao fisafoana ka tratra ambodiomby ilay lehilahy iray teo am-pamoahana kojakoja sy fitaovana elektronika tao an-tranon’olona iray. Nirifatra nandositra izy vao nahita ny Polisy ka raikitra ny fifanenjehana. Rehefa tratra ity jiolahy ity dia nanao fanoherana mafy sy herisetra ary nikasa ny handrombaka ny Basin’ny Polisy hisambotra azy. Tsy maintsy niaro tena noho izany ny Polisy ary nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy. Maty vokatry ny ratra mafy nahazo azy ity jiolahy ity rehefa niantefan’ny tifitra.
Nangonin'i Pati
Légende : Nahazo saran-dalana niazo ny varotsy mifody Ilay jiolahy !
 

Dans la même rubrique