airtel

Fandriampahalemana

17-avril-2023

Fandriampahalemana

Antaninarenina Zaza tsy ampy taona roa tratra nangarom-paosy

Sample post image

Zazalahy kely 13 sy 15 taona izay mbola samy tsy ampy taona no voasambotry ny Polisy tetsy Antaninarenina omaly alahady 16 aprily tokony tamin’ny 06 ora sy sasany maraina rehefa nangarom-paosy.

17-avril-2023

Raha tsiahivina kely ny tantara dia nisy olona voaharom-paosy teny amin’ny zaridainan’ Antaninarenina tamin’io omaly vao maraina io. Lasan’ireo mpangalatra tamin’izany ny findainy sy ny karapanondro ary ny vola teny aminy ka lasa nidodododo nanatona ny polisy nanao fisafoana teny amin’iny faritra iny izy mba nitaraina. Nilaza ilay lasibatra fa tadidiny ny endrik’ireo mpangarom-paosy. Nanao ny fisafoana sy fitadiavana ireo olon-dratsy avy hatrany ny Polisy tamin’izany no nahatrarana ireto zaza tsy ampy taona ireto. Rehefa nosavaina teny amin’izy ireo dia nahitana finday iray. Natolotra ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana avy hatrany izy ireo nanaovana fanadihadiana. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia ankizy mpatory an-dalana izy ireo ary tsy latsaky ny 30 isa ny manao io asa ratsy io isan’andro manodidina an’Analakely sy Anosy ary Antaninarenina. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo mpitandro ny filaminana mba hijery akaiky ny mikasika izany.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy kely tratra teny Antaninarenina
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap