airtel

Fandriampahalemana

19-janv-2023

Fandriampahalemana

Antsiranana Tratra ilay lehilahy namono nahafaty ny sakaizany

Sample post image

Ny sakaizany ihany no nahavita nanafaka ny ain’ilay vehivavy 30 taona hita faty tao an-tokantranony tao Soafeno, kaominina ambonivohitr’Antsiranana,

19-janv-2023

distrikan’Antsiranana I ny alarobia 11 janoary teo. Tany Ambanja ilay ranamana io no sarona ny alahady 15 janoary teo tokony ho tamin’ny 11 ora sasany alina. Raha tsiahivina kely ny tantara dia mbola hitan’ny manodidina naira-natory tamin’ilay sakaizany io vehivavy maty io talohan’ny nahafatesany. Nony maraina anefa ny andro dia naheno fofona hafahafa izy ireo ka izay no antony nampandrenesana ny Polisy. Nanao filazana fikarohana ity lehilahy ity ny Polisy, antony nahatrarana azy tany Ambanja ihany koa. Noentina avy hatrany tany amin’ny birao ny anaolahy nanaovana fanadihadiana. Tamin’ny fakana am-bavany azy dia niaiky izy fa namono nahafaty ilay sakaizany tokoa noho ny hasarotam-piaro. Natolotra ny fampanoavana tao Antsiranana ity mpamono olona ity ka naiditra vonjimaika any am-ponja ny afak’omaly talata 17 janoary.
Pati
Legende : Ity ilay mpamono olona
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap