airtel

Fandriampahalemana

14-mars-2024

Asan-dahalo any Fihaonana Tsiroanomandidy

Fanafihana telo tao anatin'ny alina iray, 2 voasambotra

Sample post image

Dahalo 2 tratra tao Ambohimahasoa Fokontany Antsampanimahazo any Fihaonana Tsiroanomandidy,

14-mars-2024

raha ny vaovao azo. 4 izy ireo no saika hanafika hamono olona teo amin’io tanàna io, saingy nalaky tonga ny mpitandro filamaninana ka tsy nahomby ny tetik'ireto dahalo, hoy ny tatitra omaly 13 martsa. Nisy ny fifampitifirana omaly tokony ho tamin’ny 7 ora maraina, ka naratra ny dahalo iray, voasambotra niaraka taminy ny namany iray niaraka tamin’ny basy 1 nampiasain'izy ireo. Voalaza fa fa samy tompon-tanàna izy 2lahy ireo. Ny 2 izay avy any Ambodivato kosa tafatsoaka niaraka tamin’ny basy iray hafa, samy anatin'ny kaominina Fihaonana avokoa izy ireo. Natolotra ny zandary omaly tolakandro moa izy 2 lahy ireto izay nomarihina fa mbola anatin'ny fahatanorana tanteraka. Ankoatra io, ny harivan'ny 12 martsa 2024 ihany koa, dia dahalo am-polony nirongo basy no saika hanafika tao amin’ny Fokontany Bemangoraka, olona iray no naratra voatifitra, tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana sy ny ben'ny tanàna ka tsy tafavoakan'izy ireo ny omby nokasain'izy ireo hangalarana. Tafaporitsaka ireo dahalo. Ny alin’io 12 martsa io ihany koa tokony ho tamin’ny 11ora tao Antanimbaribe, dia omby 2 ihany koa no lasan'ny dahalo ary efa tafaverina amin’ny tompony avokoa, hoy ny tatitra. Isan’ny tena toerana be dahalo iny faritr’i Bongolava iny, ary hatramin’ny samy mpitondra Fanjakana sy tompon’andraikitra ambony ara-politika aza nisy fotoana herintaona lasa teo izay nifampiampanga amin’ny resaka tsikombakomba amin’ny dahalo.
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap