teny Behoririka omaly maraina tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro. Raha araka ny vaovao azo avy amin’ny polisim-pirenena dia avy naka vola 130 tapitrisa Ar teny amin’ny Banky BNI Antsahavola ity tovolahy ity ary nandeha moto. Heverina ho efa nanam-baovao ireo jiolahy ary nahalala ny lalany koa dia nanaraka azy ; raha ny fantatra mantsy dia tokony hanatitra vola ao amina Cash point iray ao Behoririka ity « coursier » ity. Nitifitra avy hatrany ny lohany sy ny tendany , rehefa tonga teny Behoririka no sady naka ny sakaosy nisy ny vola teny aminy ireo jiolahy . Mbola nanao tifi-danitra ihany ireo olon-dratsy vao nitsoaka nandritra izany. Nentina teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha avy hatrany moa ny razana. Vehivavy iray hafa ihany koa no fantatra fa naratra teo amin’ny sorony ary efa nentina hopitaly. Marihina fa anisan’ireo niketrika ity fanafihana ity i Davidabe ilay maty voatifitry ny SAG teny Tsiadana omaly. Nangonin’i Pati Legende : Niparitaka tahaka izao ny ra teny Behoririka teny
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,