airtel

Fandriampahalemana

01-déc-2023

BEFANDRIANA ATSIMO MOROMBE

Tafaverina ireo omby 230 nalain'ny dahalo 80

Sample post image

Omby miisa 230 no indray tafaverina manontolo amin'ny tompony taorian'ny fifandonana maherivaika nataon'ireo

01-déc-2023

zandary avy ao Morombe sy ireo dahalo 80 Vakilima nanafika tao Antranosatra, fokontany Manoy, kaominina ambanivohitra Befandrina atsimo, distrikan’i Morombe, ny alin'ny 30 Novambra lasa teo tokony ho tamin'ny 04ora 30 minitra maraina.Vao nandre ny hazolava ireo zandary sy ny tafika notarihin'ny manam-boninahitra mpandrindra ny zandarimaria ao Morombe sy ny kaomandin'ny tobim-paritra Befandriana Atsimo , dia nanara-dia niaraka tamin'ny fokonolona. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ka dahalo miisa 2 no lavo tamin’izany. Basy iray no azo raha tafaverina ireo omby rehetra. Vaky nandositra kosa ireo dahalo sisa ka mbola mitohy ny hazalambo any anaty akata any. Nisy ihany koa ny mpanara-dia iray voatifitra saingy tsy misy atahorana ny ainy fa efa nahazo fitsaboana hoy ny vaovao.
Pati
Legende : Nifanome tanana tahaka izao ireo mpitandro ny filaminana !

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap