airtel

Fandriampahalemana

02-févr-2022

Fandriampahalemana

Behoririka Nidoboka am-ponja ireo 4 mianadahy namono Sinoa

Sample post image

Lehilahy 03 sy vehivavy 01 no voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny BC 04 Anosy ny 25 janoary lasa teo noho ny famonoana tera-tany sinoa iray tetsy Behoririka.

02-févr-2022

Ny 23 janoary 2022 lasa teo raha tsiahivina dia tonga nametraka fitoriana teto anivon'ny Polisim-pirenena ny fianakavina akaikin'ity tera-tany sinoa ity nilaza fa tsy hita ny havan'izy ireo nanomboka ny 22 janoary lasa teo. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny teo anivon'ny Polisy ary nanao ny fikarohana sy fanadihadiana ny momba izany. Fantatra nandritra ny famotorana nataon'ny Polisy tamin'ny fianakavian'ity sinoa ity fa hafahafa fihetsika ireo mpiasa tao aminy ary nisy tamin'izy ireo aza tsy tonga niasa mihintsy ny andron'ny 22 janoary ka nahagaga azy ireo. Tsy niandry ela ny Polisy fa nikaroka ilay vehivavy iray mpiasan'ity sinoa ity tany an-tranony ka nitondra azy natao famotorana. Niaiky avy hatrany moa ity farany fa niray tsikombakomba tamin'ny famonoana ilay sinoa ary nanondro ireo namany hafa nahavita izao asa ratsy izao. Ireo roalahy namono ity sinoa kosa voasambotra ny 27 janoary rehefa nokarohina hatrany Ambatolampy. Ilay tovolahy iray farany izay nanampy ireto olon-dratsy ireto nitondra ny fatin'ilay sinoa kosa dia voasambotra tamin’io andro io ihany teny amin'ny Fasan’ny karana. Araka ny fantatra dia teo am-pangalana entana tao amin'ny depot no namonoan'ireto olon-dratsy ireto ity sinoa ity. Rehefa variana naka entana iny ilay sinoa dia notsatohin'izy ireo ny antsy in-droa nisesy teo amin'ny tendany ka nianjera tany amin'ny tohatra. Raha hitan'izy ireo fa mbola tsy maty tsara dia notsondromin'izy ireo tamin'ny seringue feno rano mangatsiaka . Nofonosan'izy ireo baoritra ilay sinoa rehefa maty, ary noentin'izy ireo tamin'ny sarety kely miaraka tamin'ireo entana maro be izay nangalarin'izy ireo ka nasitrik'izy ireo teny Ampitatafika. Natolotra ny fitsarana omaly moa ity raharaha ity ka nampidirina am-ponja vonjimaika avokoa izy ireo.
Pati
Legende : Ireto izy 4 mpiasan’ilay Sinoa
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap