Olona mifanefitra trano amin’io tokantrano nahitana ny razana io no nahatsikaritra fa misy fofona hafahafa mivoaka avy eo akaikiny, antony nahitana ilay vatana mangatsiaka. Raha ny vaovao sy ny filazan'ny manodidina anefa dia tsy tao an-toerana ny tompon'ny trano nahitana ny razana. Mahagaga araka izany ny nahatafidiran’ity lehilahy hita fary ity tao amin’ io trano io. Eo an-danin’izay dia tsy fianakaviana izy no sady tsy naman’ilay tompon-trano hoy hatrany ny vaovao. Miantso ireo olona izay mahalala an-dRatompokolahy araka izany ny mponina ao an-toerana mba hanatona ny Filoham-pokontany ao Betania Tanambao. Marihina moa fa nahitana ratra ny razana, antony nampamofona azy haingana. Ny andro rahateo efa tena manafa be izaitsizy ao Toliara ao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay razana hita tao an-tokantranon’olona
Mampivarahontsana sy mampiteny moana hatrany ny tsy fandriampahalemana sy ny habibiana
Rehefa natambatra ny angom-baovao sy ny fanadihadiana maro natao tany an-toerana
Fifohana sy fitazomana zava-mahadomelina, sinto-mahery , haro-paosy, halatra,
Mitsiry hatrany ny hevi-dratsin’ireo mpisoloky eto amintsika mba hahazoam-bola haingana.