airtel

Fandriampahalemana

24-avril-2023

Fandriampahalemana

Boriboritany fahatelo Manjaka ny tsy fandriampahalemana

Sample post image

3 andro misesy izay eo amin'ny 6 maraina eo foana no misy ny voaendaka eo Ambatomitsangana, hoy ny fampitam-baovaon’ny mponina eny an-toerana.

24-avril-2023

Avy manendaka eo amin'io arabe io izy dia mitsoaka midina mankany Behoririka amin'ny lalana mivoaka amin’ny BFV, hoy ny fanazavana. Mitandrema isika izay mandeha maraina. Ny alarobia 20 aprily dia feno rà mandriaka ny tohatra hidina an’i Behoririka ka avy eo amin'io arabe io nanomboka feno rà ka hatrany ambany ivoaka an’i Behoririka. Ny 21 aprily tamin’ny 6 ora, raiamandreny mipetraka eo ihany no andeha hividy mofo maraina ka notsenain-drizareo ary lasa ny peratra volamena sy famerim-bola 6000 Ariary. 22 aprily, tamin’ny 4 ora maraina dia nisy mpivady kely andeha hivarotra hani-masaka manosika sarety misy fatana efa mirehitra sy kojakoja no notafihany ka niantso vonjy ilay raim-pianakavina sady nanohatra ka nitsoaka izy ireo sady teo ampovoan'ny arabe no nisy azy ireo sy ny sarety ka tonga dia mibahana fiara raha nisy nandalo . Boriboritany fahatelo no misy antsika eto, hoy hatrany ny fitantaran’ny mponina ity tsy fandriampahalemana manjaka ity!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap