ny zanak’anabaviny avy naka vola tamina cash point iray teo akaikin’ny scolopendre. Ao Ankirihiry io lehilahy io no mipetraka. Roalahy nandeha moto nibaby sakaosy fanaony an-damosiny ireo voatafika ka ilay iray saika voatifitra io voaharon’ny havany io. Tany amin’ity farany mantsy no niantefa ilay bala. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ilay sakaosy izay nisy vola 6 tapitrisa Ar. Miisa telolahy indray ireto farany izay fantatra fa nandeha moto ihany koa. Nitsoaka sady nanao tifi-danitra niditra tany amin’ny Cité Valpinson tany ireo jiolahy rehefa vitany ny nataony. Tifitra teo amin’ny kibony moa no nahafaty ilay lehilahy nanavotra ny zanak’anabaviny io. Tsiahivina moa fa lasibatry ny jiolahy hatramin'ny Préfet-n’i Toamasina Andriamatoa Jean José Ambinintsoa. Nijanona naka toerana ny fiaran’ity tompon’andraikitra ity ny 18 Janoary teo. Akory anefa ny hagagany fa tsy vaky ny fitaratra saingy maro ireo zavatra very.
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy milamina ao Toamasina ao amin’izao
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,