airtel

Fandriampahalemana

03-août-2026

DISTRIKAN'IFANADIANA

Dahalo miisa 3 maty voatifitra

Sample post image

Manao maodely tsara amin'ny ady

03-août-2026

amin'ny tsy fandriampahalemana ny distrikan'Ifanadiana tarihin'ny solombavambahoaka Haja Dinah. Dahalo miisa 3 no fantatra fa maty voatifitry ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana ny faran'ny herinandro teo. Na izany aza anefa dia mbola misy naman'izy ireo iray mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika mandehandeha any hoy ny vaovao ary manao fanamiana miaramila. Mbola fantarina izay momba io jiolahy io noho izany hoy ity solombavambahoaka iray ity. Mankahery ireo mpitandro ny filaminana tsy hilavo levona amin'ny famongorona ireo mpanao ratsy ny tenany noho izany. Manoloana ny fitoriana nataon'ilay Raiamandreny am-panahy iray ireo mpitandro filaminana any an-toera'a kosa dia nanambara izy fa tsy ara-drariny io. Voasaringotra tamin'ny resaka vola sandoka mantsy ny fianakavian'ity Raiamandreny am-panahy ity hoy hatrany ny fanazavany ka izany no antony hanaratsiany ny mpitandro ny filaminana. Tsiahivina moa fa vao haingana no nisy dokotera iray namoy ny ainy tany Ifanadiana vokatr'izay tsy fandriampahalemana izay. Tsy hadinon'ny solombavambahoaka Haja Dinah noho izany ny nankahery ny fianakavian'ny maty.
Pati
Légende : Ny solombavambahoaka Haja Dinah voafidy tany amin'ny distrikan'Ifanadiana !
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Taorian'ireo 16 tany Toliara izay

Card image cap
07-août-2026

an’ny andrimasom-pokonolona

Card image cap
07-août-2026

Jiolahy miisa 4 mandeha moto no nanafika

Card image cap