airtel

Fandriampahalemana

19-nov-2026

Lehilahy naka

vola 2 tapitrisa Ariary

Sample post image

Voasambotra tao Ambatondrazaka

19-nov-2026

Lehilahy iray no voasambotra tao Ambatondrazaka ny 17 novambra, rehefa naka vola 2 tapitrisa Ariary tamin’ny alalan’ny hafatra famindram-bola sandoka, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Tonga nanao fametrahana vola na "dépôt" 200.000 Ariary ilay lehilahy ary niverina 30 minitra taorian’izay mba haka vola mitentina 2.000.000 Ariary, hoy ny fanazavàna. Rehefa azony ilay vola dia lasa haingana tamin’ny "taxi-moto" na irony kodiarandroa mpitatitr'olona irony izy. Niahiahy ilay tompon’ny "Cash Point" na itony toerana fifanakalozam-bola amin'ny alalan'ny finday itony ka nanamarina ny kaontiny ary nahita fa hafatra sandoka namboarina no nampisehoana tamin’ilay famindram-bola fa tsy nisy akory ny vola niditra. Hiatrika fanadihadiana izy, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-nov-2026

Mamondron-kery ireo

Card image cap
18-nov-2026

Nanasonia ny « ACSA »

Card image cap