airtel

Fandriampahalemana

18-nov-2026

Fifanarahana

stratejika ara-tafika

Sample post image

Nanasonia ny « ACSA »

18-nov-2026

i Madagasikara sy Etazonia
Niroso tamin’ny fifanaovan-tsonia ara-tafika nosikajiana ho manan-tantara i Madagasikara sy Etazonia omaly. Fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny Fividianana sy Fifanakalozana Fampitaovana ACSA, nataon’ny Jeneraly Thomas M. Armas, solontenan’ny U.S. AFRICOM, sy ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Maminirina Ely Razafitombo. Tafiditra tambajotra mikendry ny hanamafisana ny filaminana iraisam-pirenena amin’ny, hiarovana ny lalan-tsambo ary hanatsarana ny fahafahana miatrika krizy ao amin’ny faritra andrefan’ny Ranomasimbe Indiana, raha ny nambaran’ny Amerikanina. Araka izany, fifanarahana mametraka rafitra ara-dalàna ahafahan’ny tafika malagasy sy amerikana mifampizara fampitaovana, manatanteraka fividianana ary miara-mikarakara famatsiana arakaraka ny filàna no natao. Amin’ny alalany no hahafahan’i Madagasikara mandray andraikitra haingana kokoa mandritra ny krizy, ny fanampiana maha-olona, ny fiofanana ary ny fanazaran-tena ara-miaramila. Nohamafisina fa manaja tanteraka ny fiandrianam-pirenena sy ny tombontsoan’ny firenena roa tonta ny ACSA. Ahafahan’i Madagasikara sy Etazonia mifanohana amin’ny hetsika fisafoana an-dranomasina, ny fanazaran-tena iraisam-pirenena toy ny “CUTLASS EXPRESS”, ary ny fiatrehana ny hamehana aorian’ny loza voajanahary izany. “Ny fandraharahana azo antoka no miantoka ny fahombiazan’ny hetsika atao,” hoy ny Jeneraly Armas. “Na rehefa miatrika rivo-doza tsy nampoizina na rehefa miaro ny fari-dranomasina stratejika ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika, dia ity fifanarahana ity no miantoka ny fahafahan’ny Tafika roa tonta mifanampy haingana. Ary zava-dehibe ny fanajany ny fiandrianam-pirenen’ny roa tonta sy ny fanatanterahana azy ao anatin’ny fanarahana hentitra ny lalàn’ny firenena tsirairay avy ary ny fampahefana ireo mpikambana amin’ny tafika malagasy hanana ny fampitaovana sy ny fandraharahana ilainy hiarovany ny fireneny.”, hoy ny Jeneraly Thomas M. Armas. Namafisan’ny Minisitry ny fiarovam-pirenana Malagasy, Jeneraly Maminirina Ely Razafitombo fa fanamafisam-piaraha-miasa ara-tafika eo amin’ny Firenena roa tonta io . Nomarihiny, fa manana ny fomba fiasany ny tafka Amerikanina amin’ny alalan’ny US AFRICOM mipetraka aty Afrika, ka ireo no hanatanteraka ny fiaraha-miasa amintsika. « Hiditra bebe kokoa amin’ny zava-misy aty an-toerana, hisy ny fiarahana manao fanazaran-tena manoloana ireo loza voajanahary mihatra aty amintsika toy ny rivodoza, ny andro ratsy,... Hisy ihany koa ny fiofanana hanamafisana ny traikefan’ny tafika Malagasy momba ny fiarovana ny Firenena sy ny vahoaka, fa hisy ihany koa amin’ny fampitaovana avy amin’ny tafika Amerikaninaho an’ny tafika Malagasy, hanatsarana mba ho maoderina miatrika ny zavatra rehetra », hoy izy. Hisy ihany koa ny fanatsarana fotodrafitrasa izay efa nosantarina tany Avaratra toa ny any Andrakaka sy Antsiranana, nandritra ny fitsidihan’ny Jeneraly John Brennan. Anisan’ny tombontsoa lehibe amin’ny fifanarahana ny fanatsarana ny fitantanana ny tetibola ho an’ny fiarovam-pirenena.
RAFITRA IOMBONANA
Amin’ny alalan’ny rafitra iombonana fanombanam-bidy sy fifanakalozana dia afaka manararaotra ireo fotodrafitrasa efa misy, toy ny seranan-tsambo, toeram-pitehirizana azo antoka ary ivon-toeram-piofanana i Madagasikara, ka hahazo fanohanana ara-pitaovana sy kojakoja ilaina sady mitsitsy ny tetibola natokana ho an’ny fiarovana. Taorian’ny fanaovan-tsonia dia hisy ny fikaonan-doha mifototra amin’ny paikady “Assess, Advise, Advocate, Integrate” (A3I). Ao anatin’izany no hisafidianan’ny Tafika Malagasy ireo seranan-tsambo sy toby stratejika handefasana famatsiana, anisan’izany i Antsiranana, Toamasina ary Mahajanga. Ireo asa ireo ihany koa no hanampy amin’ny fandraketana ny filàna amin’ny fanohanana ara-bola. Etsy ankilany, miaramila malagasy 24 avy amin’ny tafika an-tanety, an-dranomasina ary an’habakabaka no nandray anjara tamin’ny fiofanana momba ny fitantanana ny famatsiana ao anatin’ny rafitra ACSA. Stratejika be io indrindra eo anatrehan’ny adisisika ataon’ireo Firenen-dehibe toa ny Rosianina, Amerikanina, sinoa,… saingy efa naneho fa misokatra i Madagasikara.
Toky R

 

Dans la même rubrique

18-nov-2026

Mamondron-kery ireo

Card image cap
17-nov-2026

Tsy mahavaly ny zava-misy

Card image cap