firenena aty Afrika Atsinanana
Mampiantrano fivoriambem-paritra mifantoka amin'ny Fifanarahan'ny Firenena Mikambana momba ny ady amin'ny heloka bevava an-tserasera, nosoniavin'i Madagasikara tamin'ny Septambra 2026, ny Governemantan'ny Fanavaozana. Nisokatra omaly Talata 17 novambra izany tamin'ny alàlan'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny sy ny Biraon'ny Firenena Mikambana misahana ny zava-mahadomelina sy ny Heloka Bevava. Mampivondrona ireo tompon'andraikitra ambony avy amin'ny governemantan'ireo firenena ao Afrika Atsinanana, ireo fikambanana iraisam-pirenena, ireo solontenan'ny sehatra tsy miankina, ary ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny fampandrosoana ity hetsika maharitra roa andro ity: 17 sy 18 Novambra. Ny hamahana ireo fanamby mitombo hatrany mifandraika amin'ny fiarovana nomerika sy ny ady amin'ireo heloka bevava an-tserasera no tanjona fototra. Mifantoka amin'ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ny samy firenena aty Afrika Atsinanana sy ny sehatra iraisam-pirenena ny fifanakalozan-kevitra. Anisan’izany ny ady amin'ny fisolokiana ao amin’ny tambajotra sy serasera, ny hosoka ara-bola nomerika, ny fampielezana vaovao diso, ary ny fiarovana ny ankizy amin'ny fanararaotana. Sehatra iray ifanakalozana momba ny fanaovana sonia, ny fankatoavana, ary ny fampiharana ny Fifanarahan'ny Firenena Mikambana momba ny ady amin'ny heloka bevava an-tserasera ity hetsika ity. Amin’ny alàlan’ity hetsika ity, dia manamafy ny fahavononany hiara-miasa amin’ireo firenena sy hampitombo ny fahaiza-manaon’ireo rafim-panjakana ary hampiroborobo tontolo nomerika azo antoka kokoa manerana ny faritra Afrika Atsinanana misy azy i Madagasikara.
Nangonin'i Jean D.