airtel

Fandriampahalemana

08-mars-2024

Fahapotehan’ny fiarahamonina

Rongony mahery vaika no fototry ny adalana rehetra eto

Sample post image

Tsy nijanona teo amin’ny fifohana jamala na rongony raviny intsony

08-mars-2024

ny fidorohana zava-mahadomelina eto Madagasikara fa efa niitatra any amin’ireo rongony mahery vaika sy tena haingam-piasa toa ny metamphétamine na Cristal Meth, Cocaïne, Héroïne, Roro. Efa ho isan-kerinandro no handrenesam-baovao hoe nisy an’izao sy izao tratra tetsy, teroa.Ary ny tena mampihoro-koditra farany teo dia tsy amina grama intsony ny lanjan’ireo rongony mahery vaika tratra fa efa mihoatra ny 40 kg.
MILA VOLA BE
Ny dikan’izany dia tsy hoe fatra ho an’olona vitsivitsy fa efa mahavita mamatsy mponina amina tanàna iray mihitsy izany. Raha ny resaky ny mpitsabo dia mety hahatratra avo 10 heny amin’ny herin’ny rongony raviny fohana ny rongony atsindrona na trohana amin’ny orona.Misy ihany koa ireo avadika ho menaka ka lomana ao anatiny ny sigara dia iny no fohana avy eo. Izay nomaha mahery vaika azy, ary tena manova tanteraka mihitsy ny toe-batana sy ny ao anaty atidohan’ny olona ny fidorohana azy. 10 000 ka hatramin’ny 20 000 Ar ny fatra (dose) iray amin’ny rongony mahery vaika raha y eto Madagasikara noresahana, misy mety tonga hatrany amin’ny 50 000 Ar aza. Ka rehefa tratry ny fiankinan-doha ilay olona manao azy , dia tereny ka manita-kevitra amin’izay dia miatomboka amin’ny halatra madinidinika izany ary mivadika ho fandendahana sy famoanoan’olona mihitsy mba hitadiavana vola.
EFA MATY ERITRERITRA
Manampy izay rehefa misy ireo andian-jiolahy tratran’ny mpitandro filaminana dia hita amin’ny sary eo foana ny ody gasy sy ny rongony ary ny basy sy bala.Ny dikan’izany dia lasa fitaovam-piasana sy fitaovam-piadian’ny jiolahy eto ny rongony.Satria sady mamono eritreritra no mampatanjaka ary manosika ny olona mihinana azy hanao zavatra tsy azo eritreretina akory. Mety ho izany no anton’ny fahitana faty olona efa tapa-doha, ny fahasahiana mangalatra voamason’olona tsotra izao, ny fanolanana zaza tsy ampy taona sy zazakely.Satria raha olona mbola misaina tsara , tsy hahavita velively izany mihitsy fa nentin-javatra matoa efa tena mihoa-pefy ary tsy miraharaha intsony ny resaka soatoavina sy ny maha sarobidy ny ain’olombelona. Tena azava-doza raha tsy ahitam-bahaolana tena mahomby izany rehetra izany satria tena hamotika ny fiarahamonina.
RTT
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap