Faritra miisa 3 no tena nahitana betsaka izany hoy ny vaovao dia ny tao amin’ny faritr’i Betsiboka ahitana ny distrikan’i Tsaratanana, Atsimo Andrefana ary Anjozorobe Faritra Analamanga. Ho an’ilay tranga farany teo ohatra dia lehilahy miisa 5 be izao no indray nalain’ny jiolahy an-keriny tao Marotsipoy Anjozorobe. Efa nandoavan’ny fianakaviany volabe izy ireo ho tambin’ny ainy saingy mbola novonoin’ireo tsy mataho-tody ihany ka mbola hita niaraka tamin’ny vatana mangatsiakany ny tanana aman-tongotr’izy ireo nifatotra. Mitontaly 97 isa izy ireo hatreto ka ny 6 no namoy ny ainy. Jiolahy miisa 9 ihany koa no namoy ny ainy vokatr’izany raha mpitandro ny filaminana miisa 9 no lasibatra. Vola manodidina ny 300 tapitrisa Ar no lasan’ireo jiolahy tamin’ireo tranga fakana an-keriny ireo ka ny am-pahany ihany no tafaverina amin’ny tompony raha fitaovam-piadiana maromaro ihany koa no azon’ny mpitandro ny filaminana. Antony nampirongatra ny fakana an-keriny moa raha tsiahivina ny tsy fisian’ny omby hoalain’ireo dahalo azo havadika vola eo noho eo intsony. Olona indray no nalainy vokatr’izany ka amin’ny alalan’ny fianakavian’ireo olona ireo no hitadiavany ilay volabe vidin’omby azony teo aloha.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo olona nisy naka an-keriny dia novonoina tany Tsaratanana !
Nahitana fatin'olona nihantona tamin'ny tady teo ambony hazo ny Sabotsy 07 Jona