airtel

Fandriampahalemana

03-août-2026

FAKANA VOLA AMIN'NY BANKY

Mpanao hosoka 5 voasambotra tany Moramanga

Sample post image

Nahomby ny hetsika nataon'ny

03-août-2026

Polisim-pirenena tany amin'ny distrikan'i Moramanga ny Alatsinainy 27 Jolay teo. Tratra ary sarona tany an-toerana ny tambazotran'olona mpisoloky sy mpanao taratasy hosoka. Lehilahy telo raha vehivavy roa. Taorian'ny fampitam-baovao voaray momba ny fikasan'izy ireo hindram-bola tamin'ny alalan'ny antontan-taratasy sandoka tao amin'ny banky iray any an-toerana no nahafahana nandrava ny asa ratsiny. Nandritra ny fanadihadiana dia fantatra fa efa nahavita fisolokiana tamina banky io tambazotra io ka nahazoany vola 15.000.000 Ariary sy 14.000.000 Ariary, ka fanin-telony izao nahatrarana azy ireo izao. Kara-panondro sy antontan-taratasy sandoka ary fitaovana maro no tratra niaraka tamin’izy ireo. Natolotra ny Fampanoavana ny Zoma 31 Jolay teo ireo voasambotra ka nidoboka am-ponja vonjimaika.
Nangonin'i Pati
Légende : Izy 5 mianadahy mianaka, tambajotrana mpisoloky rava !
 

Dans la même rubrique

18-sept-2026

6 nidoboka am-ponja, iray tarika amin'ny 73kg...

Card image cap
18-sept-2026

Ravan'ny Polisim-pirenena, olona 9 voasambotra tany Tolagnaro

Card image cap
18-sept-2026

vadiny dia namono ten izy

Card image cap
18-sept-2026

Nampidirina am-ponja vonjimaika

Card image cap
17-sept-2026

vinantony teo amin’ny lohany

Card image cap