nifoha Alatsinainy 03 Febroary lasa teo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia very tamin’izany ny solosaina miisa roa marika DELL sy ASUS, niampy vata fitoeram-bola sy antontan-taratasy. Hitan'ny "caméra" anefa izy roalahy vahiny tsy nandondòna teo am-baravarana ireo ka natao ny fikarohana azy. Fantatra tamin'ny alalan'ny angom-baovao ny iray tamin'izy ireo ka ny 13 Febroary teo no voasambotra ny tovolahy iray monina ao Antsahamamy Fokontany Andranovory , Boriborintany fahadimy. Ny nahatsikaiky nandritry ny famotorana azy hoy ny vaovao dia niaiky ny lehilahy fa tena sariny tokoa io hita tao anaty vidéo io saingy modiany nitapy.Tena sariko io sefo, ary io mihitsy ny satroka ba sy ity akanjo hanaovako ity hoy izy. Mbola nampiany anefa hoe “ inona ary no hataoko ao anaty caméra ao ? Tsy fantatro akory hoe iza io bandy miaraka amiko io ?...Natolotra avy hatrany ny Fitsarana ny anaolahy vokatr’izany ka efa maka saina any am-ponja amin’izao fotoana izao.
Pati
Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage