airtel

Fandriampahalemana

01-sept-2023

Famakiana tranon’ny mpiasan’ny Oniversite

Olona roa no efa voasambotra tao Fenerive Est

Sample post image

Nisy namaky ny tranon’ny mpiasa iray eo anivon’ny oniversite-n’i Fenerive Est ny 21 Aogositra teo tokony ho tamin'ny 07 ora sy sasany.

01-sept-2023

Nametraka fitoriana ilay lasibatra nanoloana izany. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo tompon'andraikitra tamin'ny fikarohana ireo mpanao ratsy ka tamin’ny 25 Aogositra teo dia voasambotra ny iray tamin'ireo olon-dratsy. Ny polisy miasa ao amin'ny CSP Fenerive Est no nahatratra azy io, izay niaiky avy hatrany ny halatra nataony ary nanamafy fa nahazo "Ecran plat" iray,"subwoofer" iray ary "batterie roa izy tao amin’io trano vaky io. Ny 26 Aogositra teo kosa no voasambotra ny namany iray. Mbola hita ny ampahany tamin'ireo entana very izay tratra tao amin'ny fianakavian'ireo mpandray ny entana halatra izay mbola andalam-pikarohana. Naiditra am-ponja vonjy maika omaly izy roalahy ireo izay vao 16 taona monja ny iray raha 20 taona ny iray.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy namaky ny tranon’ny mpiasa eo anivon’ny oniversite-n’i Fenerive Est
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap