dia tsy mitsahatra mikaroka ireo mpanao ratsy ny Polisim-pirenena. Lehilahy roa 20 taona sy 26 taona no tratran’ny Service Anti-Gang (SAG) teny Anosizato Atsinanana ny Alahady 19 Janoary teo. Afak’omaly Alatsinainy 20 Janoary kosa dia nahitan'ny polisy miasa ao amin'ny boriborintany fahadimy ao Mahamasina moto halatra miisa telo ny tranon'ireto lehilahy mampiahiahy ireto. Ahiana ho isan'ny mpanome moto ho an’ireo mpanao fanafihana mitam-piadiana izy ireo araka ny fanadihadiana. Taorian’ny fisamborana ireo roalahy ireo sy ny fahatratrarana ireo moto halatra dia noraisin’ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava (Brigade Criminelle) ny famotorana amin’ity raharaha ity.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy sy ireo moto tratra tao aminy !
Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage