airtel

Fandriampahalemana

27-mai-2022

Fandriampahalemana

Fametrahana fandriampahalemana Feno 9 taona ny HWPL

Sample post image

Feno 9 taona ny 25 may 2022 teo ny HWPL na ny rafitra iraisampirenena miompana amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana eto amin’izao tontolo izao.

27-mai-2022

Noho ny ahamehana ara-pahasalamana mbola mitoetra moa dia tsy nisy tamin’ity ny diabe ho an’ny fandriampahalemana toy ny fanao isan-taona. Ho an’I Madagasikara manokana dia tetsy amin’ny foiben’ny UNESCO etsy Behoririka no nandraisana ny seminera iraisampirenena tamin’ny alalan’ny fimaso lehibe na “visioconférence” moa no filaza azy ankehitriny. Zandriny indrindra amin’ireo HWPL maneran-tany no misy eto Madagasikara satria vao herintaona monja, hoy ny fanazavana, izay no nitsanganany. Tsy kivy izahay ary ekena fa mirongatra tokoa eto amintsika ankehitriny ny tsy fandriampahalemana amin’ny endriny rehetra, hoy ny tomponandraikitra, Rafidiarisoa Dera Jelia, ary araka ny fampitam-baovao efa natao hatrany dia manomboka ampidirinay eny anivon’ireo sekoly ankehitriny ny fanabeazana momba ny fandriampahalemana.
J. Mirija
Legende: Tetsy Behoririka ny alarobia teo
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap