izay tsy mifanalavitra amin’ny fiakaran’ny vokatra ka heverina hoe mampanam-bola ny tantsaha.Tsy vitan’ny hoe mangalatr’omby fotsiny ny dahalo amin’izao fotoana fa mamaky trano symandroba, manolana ny vehivavy sy ny tovovavy ao an-tanàna ary mamono olona mihitsy.Mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, voalaza fa tsara kalitao izy ireo ary tahaka ireny hoe tsy matahotra mpitandro filaminana ireny mihitsy hoy ireo vavolombelona lasibatry ny fanafihana any ambanivolo any . Miezaka moa ny fokonolona miaro tena, eo ihany koa ny zandary sy ny poliisy na ireo andian-tafika manokana alefa manao iraka mitety faritra, saingy tsy mipetra-potsiny ihany koa ireo olon-dratsy. Etsy ankilan’izay mba mahagaga ihany ilay fivangongoan’ny mpitandro filaminana amina tanan-dehibe ary tena mailaka be mihitsy amin’ny fandravana ireo atao hoe « hetsika politika » kanefa toa sahirana rehefa mifanatrika amin’ny malaso any anaty akata. Tsy sanatria fanakianana be fahatany fa mipetraka ihany ny fanontaniana : sao dia efa nahazo ny aretin’ny fonksionera, miady hahazo toerana an-tanàn-dehibe ny mpitandro filaminana fa tsy mazoto hiasa any ambanivolo intsony ? Hany ka mivangongo amin’ny tanàn-dehibe fa vao miala 30 km fotsiny dia efa sahirana satria vitsy an’isa. Ary maro ny ohatra azo raisina amin’io, tongan y dahalo efa ho 100 lahy manafika tanàna iray ohatra, tsy misy afa-tsy 15 ny zandary sy miaramila ao. Marina fa tsy mitovy ny sivily sy ny miaramila, saingy tsy takona afenina intsony fa maro amin’ireo dahalo sy olon-dratsy ireo no hita fa nahazo fanofanana ara-miaramila ihany koa. Ankilan’izay, akory ny hagagana rehefa mahita ireto manampahefana, tsara ambina ery ary tena fiara raitra, mpitandro filaminana miaraka amin’ny fitaovam-piadiana sy ny fihetsiketsehana tahaka ireny hoe anaty horonan-tsarimihetsika ireny. Maninona raha mba atao tahaka izany koa ny aty aminay hoy ireo mponina eny ambanivolo. Raha hiresaka fitsinjaram-pahefana dia ity sehatrry ny fitandroana ny filaminana sy fametrahana ny fandriampahalemana ity no sehatra iray tenamila hamafisina satria tsy misy vahoaka afaka miasa sy mamokatra ao anaty fitaintainana isan’andro izany.Ny asa sy famokarana anefa no avokavoky ny toekarena hampandrosoana ny firenena ; ary ilay fametrahana fandriampahalemana anie toa Velirano voalohan’ny filoha am-perinasa ankehitriny e !
RTT
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,