Voafonja vehivavy miisa 87, izay efa voatsara avy ao amin’ny Fonjaben'Antanimora no nafindra any amin’ny fonjan’ny vehivavy ao Manjakandriana, ny 21 febroary 2026, taorian’ny asa fanavaozana sy fanitarana natao tao amin’ny Fonjan’i Manjakandriana. Dingana voalohany ihany izao, hoy teo anivon'ny Minisiteran'ny Fitsarana, mba hanamaivanana ny fahafenoan’ny Fonjaben’ Antanimora, izay isan’ireo fonja be olona voafonja indrindra eto Madagasikara. Izany dia tafiditra anatin'ny lalantsaina hanatsarana hatrany ny fepetra hiainan’ny voafonja sy hanajana ny zon’olombelona ary hanamafisana ny filaminana sy ny fandriampahalemana eny anivon’ny fonja.
Nangonin'i Jean D.
Fitaterana ireo voafonja avy ao Antanimora nafindra ao Manjakandriana
Efa ho 80 ny tranga, 30 mahery maty tamin’ny fomba feno habibiana
Paikady hataon'ny sasany tsy hahamari-toerana ny fanjakana io