30 taona monja sy ny zanany vao 3 taona sy tapany novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tany Ambohimandroso, distrikan'Antanifotsy ny faran’ny herinandro teo. Olona miisa telo hatreto no efa voasambotra hoy ny vaovao ka anisan’ireny ny vadin-dratompokovavy, 59 taona, izay ahiahian'ny fianakaviany voalohany amin'ity raharaha ity. Nalefa haingana tany Antanifotsy moa ity farany tamin’ny Alahady teo nisoroana ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka. Efa voasambotra ihany koa lehilahy miisa 2, izany ny iray 34 taona, tonga nitsapa alahelo ny fianakaviana mana-manjò. Ny iray kosa 31 taona, nalain'ny zandary tao am-piandrasam-paty izay efa niasa tao amin-dratompokovavy mianaka ihany. Andrasana moa ny mety ho tohin’ny raharaha fa ny hany hafatra sy anatra ho an’ny rehetra dia tsy tsara loatra ny mahatoky olona diso tafahoatra. Mivady ho fankahalana ihany koa ny fitiavana rehefa tsy mety ny hatao koa aleo samy mitandrina tsara.
Nangonin’i Pati
Legende : Efa any amin’ny varo tsy mifody izy mianaka kely ireto !
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,