heloka bevava mikasika ny namonoana ny zanaky ny mpanakanto Bemamy Beriziky na Fandrama, Tricha, ny sabotsy teo, teny 67Ha Nord-ouest, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Teny amin'ny tranom-patin’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha ny vata mangatsiakany omaly. Efa misy olona ahiahiana fatratra amin'izao heloka bevava izao, hoy ny fanazavàna. Raha ny voalaza dia i Tricha irery no tao an-trano ka nidiran'olon-dratsy tao. Nofatorana sy naolana ary notaperina ny ainy. Tamin'ny 7 ora sy sasany hariva no hita ny vatana efa tsy nisy aina intsony, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija
Efa nisy teto ny hoe hala-jaza, mpaka fo, mpangalatra taolam-paty, mpaka an-keriny,
Mbola tsy nisy tranga nampalahelo sy nampivarahontsana tahaka ny namonoana
Rongony miisa 100 gony milanja 1450 Kilao no sarona tao Agnalampangitsy,
Rongony miisa 100 gony milanja 1450 Kilao no sarona tao Agnalampangitsy,