Nandriaka tanteraka ny rà tao an-trano, ary raha ny sary niparitaka dia toa tahaka ny nokendaina izany ankoatra ny fandatsaha-drà. Zanak'i Rtoa Prisca izay filohan'ny VMF (Vondron'olona Miaro ny Fitondrana) sy filoha lefitry ny Tanora Mijoro ho an'i Madagasikara (TMM) ity nisy namono ity. Voalaza fa ny reniny mihitsy no lasibatr'ireo olon-dratsy izay niditra an-keriny tao an-tokatranony saingy tsy tao izy tamin'io fotoana io ka ilay zaza tsy manan-tsiny no maty vokatr'izany fanafihana izany. Asa na misy ifandraisany amin’ny politika na antony hafa. Raha ny siosion-dresaka dia resaka valifaty sy fifampidirana ara-bola mikasika fampidirana ho mpiasam-panjakana saingy ny mpitandro ny filaminana moa no afaka hanamarina na handiso izany? Efa eo am-pelantanan’ny Mpitandro ny filaminana rahateo ny raharaha, ary raha ny fampitam-baovao nataona manam-pahefana iray omaly, dia efa misy olona miisa 5 nosamborina ahiana ho tompon’antoka tamin’ity raharaha ity. Na inona na inona antony, tsy mety ary tsy azo ekena ny fandatsahana ain’olombelona, indrindra fa zaza tsy manan-tsiny tahaka izao. Mankahery ny fianankaviana namoy zanaka, ary irariana mba ho tratra sy hizaka ny vokany ny tompon’antoka tamin’ny zava-doza tahaka izao.
Toky R
Tratra niaraka tamin’ny basy sy sabatra lavalela ireo jiolahy
Taorian’ny fiakarana fampanoavana, olona 47 be izao tamin’ireo 107 voarohirohy sy nosamborina tamin’ny raharaha
Tovovavy iray 23 taona no tratra nivarotra rongony teny Tanjombato afak’omaly 05 jona.