Ho an’Antananarivo dia miisa 169. 022 ireo mpiadina izay mitsinjara amin'ny ivon-toeram-panadinana miisa 572. Miisa 95. 573 kosa izany ho an’i Fianarntsoa ary mitsinjara amin'ny ivon-toeram-panadinana miisa 411. Ho an’i Toliara indray dia miisa 47. 310 ireo mpiadina mitsinjara amin'ny ivon-toeram-panadinana miisa 199. Miisa 66. 174 kosa ireo mpiadina ho an’ny faritanin’i Mahajanga mitsinjara amin'ny ivon-toeram-panadinana miisa 268. Ho an’Antsiranana indray dia mpiadina miisa 53. 740 no handray anjara amin’izany mitsinjara amin'ny ivon-toeram-panadinana miisa 169. Toraka izany koa ny ao Toamasina izay ahitana mpiadina miisa 83. 263, mitsinjara amin'ny ivon-toeram-panadinana miisa 376. Ho an’ny fanadinam-panjakana BEPC kosa indray dia mpiadina miisa 305. 836 no hiatrika izany izay mitsinjara amin'ny ivon-toeram-panadinana miisa 9054 manerana ny Nosy ka ny mpiadina miisa 4 amin'ireo no tera-tany vahiny ary mpiadina miisa 47 kosa no manana tsy fahatombanana ara-batana. Mpiadina miisa 149. 956 no nisafidy ny sokajy A, raha toa ka mpiadina miisa 155.880 no nisafidy ny sokajy B.
Nangonin’i Pati
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,