Ilafy. Namoy ny ain-dehibeny tamin’izany ny Raim-pianakaviana iray raha naratra mafy notifirin’ireo ilay vadiny. Tohana mafy noho ity tranga ity ny Ben’ny tananan’Ankadikely Ilafy Rija Rajaonah. Nisy araka izany ny fiaraha-miory notanterahiny niaraka tamin’ny fianakavian’ny maty raha toraka izay ihany koa ny fampaherezana ilay Ramatoa naratra. Tsy nijanona teo ny hetsika raha araka ny fanazavany tamin’ny mpanao gazety omaly. Hatramin’ny roa taona nitantanany ny kaominina mantsy dia fantatra fa nanao ho laharam-pahamehana ny resaka fanabeazana, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ary ny resaka fahasalamana hatrany ny tenany. Ho an’ny fandriampahalemana manokana dia fantatra fa misy hatrany ny fanentanana hataony amin’ny isam-pokontany mba handraisan’ny mponina andraikitra indrindra fa ny andrimasom-pokonolona manoloana ny ady amin’ny asan-jiolahy. Nanentana ireo mpanao cash point rehetra ao Ankadikely Ilafy ihany koa ny tenany mba samy hanidy ny tsenany amin’ny 05 ora hariva hisorohana ny loza mety hitranga tahaka izao.
Pati
Legende : Ity ilay cash point nisy nanafika teny Ankadikely Ilafy
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,