voasambotra ireo jiolahy tompon'antoka tamin'ny fanafihana ny tompon'ilay cash point iray teny an-toerana izay monina eny Mahitsy Alasora. Raha araka ny fantatra dia jiolahy efa tompon'antoka tamin'ny fanafihana maromaro teny amin'ny faritra By-pass Alasora ireto jiolahy voasambotra ireto. Efa-dahy izy ireo izay marihina fa samy havanana amin’ny fanaovana asa ratsy avokoa. Miantso ireo olona voatafika na nanana olana teny amin’iny faritra By pass iny araka izany ny polisy ao Alasora tarihin’ny kaomisera Njaka mba hanatona azy ireo sao misy hifandraisany amin’ireto jiolahy ireto. Efa eny am-pelatanan’ny polisim-pirenena misahana ny ady heloka bevava etsy Anosy moa izy efa-dahy ireto hatramin’ny omaly.
Nangonin’i Pati
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,