airtel

Fandriampahalemana

04-avril-2023

Fandriampahalemana

Fanafihana nitsefotra tampoka Teo am-panomanana no voasambotra ilay tovolahy

Sample post image

Tovolahy iray 25 taona saika hanao fanafihana mitam-piadiana no tra-tehaky ny polisy miasa ao Ambovombe ny 02

04-avril-2023

martsa teo tokony ho tamin'ny 09 ora alina tao amin'ny fokontanin’i Berary kaominina ambonivohitr’Ambovombe. Teo am-panomanana ny asa ratsiny ity tovolahy ity no nandalo ireo polisy manao fisafoana amin'ny alina ka nahita ny fihetsik’ilay ranamana hafahafa. Natao avy hatrany ny fisavana ka nahitana basy vita gasy sy bala roa ary famaky iray lehibe tany aminy. Tsy niandry ela fa nentina nihazo ny birao avy hatrany ity farany. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa nikasa hanao fanafihana teo amin'ny manodidina ilay faritra nahatrarana azy ity lehilahy ity. Efa zatra manao izany izy hoy ny vaovao no sady mampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika mba hampitahorana sy hamonoana ireo olona ao amin’ilay trano hotafihiny.
Pati
 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Leo sy tofoka tanteraka amin’izao fitondrana mijoro izao ihany koa ny fikambanana Albinos Madagascar tarihin’ny

Card image cap
02-oct-2023

Henjana ihany ity fitiavana te-hanan-karena ity. Misy manaotao foana mihitsy ny sasany toy ireo mpisipa roa tany

Card image cap
02-oct-2023

Mihamahazo vahana tato ho ato ny halatra taolam-paty amin’ny alalan’ny vaky fasana. Ireo kaominina ambanivohitra

Card image cap
28-sept-2023

Mpivady no niray tetika namorona fakàna an-keriny tany Ankazobe ny 22 septambra teo, raha ny fampitam-baovao voaray.

Card image cap