airtel

Fandriampahalemana

10-mars-2025

FANAFIHANA NY COSMOS ANDRANOMENA

Jiolahy iray no lavon’ny mpitandro nyfilaminana

Sample post image

Jiolahy iray volaza ho nanafika ny tranom-barotra Cosmos Andranomena

10-mars-2025

no lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana ny 07 Martsa lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora alina nandritra ny hetsika bemidina nataon’ireto farany teny Antohomadinika. Ny Compagnie Urbaine d’Intervention (CUI) sy ny Unité d’Intervention Rapide (UIR) teny Antohomadinika no nifanehitra tamin’ity jiolahy efa tena raindahiny ity. Nampiasa basy poleta efa fitondrany manao fanafihana mitam-piadiana izy itsy voalohany nandritra ny fifanenjehana. Tafaporitsaka kosa ny vehivavy iray izay niaraka taminy sady mpiray tsikombakomba aminy ka karohina fatratra. Efa nigadra tao Tsiafahy sy Antanimora moa io jiolahy io ary efa nosamborina noho ny resaka fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika.
Pati
Legende : Nahazo sarandalana ho any amin’ny vary tsy mifody ity jiolahy ity !

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha

Card image cap
23-mai-2025

Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,

Card image cap
22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap