fanafihana ny Shop Liantsoa Ankadindratombo izay nahafatesana mpamily fiara karetsaka iray. Polisy avy ao amin'ny CSP Alasora no nanatitra azy ireo tany amin’io fonjaben’I Tsiafahy ho famaizana ireo tena mpanao ratsy sy mpamono olona ireo. Randrianarison Tovoniaina Émile, 39 taona ny iray monina, ao Ambodivoanjo Alasora. Randrianarison Robson Nandrianina Tanteliniaina, monina ao Antohomadinika Atsimo kosa ny iray; ary raha Randrianandrasana Haja, 44 taona, monina ao Antohomadinika Atsimo ihany ny iray. Marihina moa fa hentitra tanteraka ny fitandroana ny filaminana ao anatin’ny kaominina Alasora hatramin’ny faran’ny herinandro teo. Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana saingy hetahetan’ireto farany kosa ny tokony hampitomboana isa sy hamatsiana fitaovana azy ireo. Na misy aza mantsy ny fiara indraindray dia mbola mitady solika indray izy ireo ho fanajany ny asany sy ho fiarovana ny aim-bahoaka.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy telomirahalahy nanafika ny Shop Liantsoa Ankadimbahoaka !
Tena efa misy mivadika biby ny olombelona. Resaka fankahalana tsotra izao raha
Tovovavy iray vao 22 taona no nanindrona tamin'ny antsy ny olon-tiany,
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,