airtel

Fandriampahalemana

13-avril-2022

Fandriampahalemana

Fanafihana teny Anosipatrana Tratra ireo roalahy naman dRasta nampiasa basy kilalao

Sample post image

Lehilahy miisa roa 23taona sy 18 taona no tratran ny Polisy miasa ao Ilanivato omaly talata 12 aprily tokony ho tamin’ny 01 ora sy sasany teny Anosipatrana rehefa namaky trano

13-avril-2022

Raha tsiahivina dia ny 05 aprily hifoha 06 aprily teo teny Ampangabe Anjanakinifolo akaikin’ny Tanimenabe Anosizato dia nisy vaky trano miaro herisetra tamina tokantrano iray. Tratra tamin'izany i Rasta niraka tamin’ny Basy kilalao iray ary efa nampidirina am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora. Marihana fa miisa telo izy ireo no nanao io fanafihana io ka tafaporitsaka ny namany miisa roa. Nitohy hatrany ny fanadihadiana sy fikarohana nahakasika io fanafihana io ka izao tratra izao ireto namany miisa roa ireto teny Anosipatrana. Marihana fa nihaiky izy roa lahy ireto fa izy ireo no nanao io fanafihana io tamin’ny fakana am-bavany azy.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap